Tsy misy tohiny mandrak’androny ny mikasika ny tohin’ny raharaha fanesorana ny tale jeneralin’ny orinasam-panjakana Kraomita Malagasy Arsène Rakotoarisoa.
Tsy fantatra mazava izay tena antony, fa dia notapahina fotsiny tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra izany, izay heverina fa mety nisy fifandraisana tamin’ny raharaha fakana an-keriny tany Andriamena Tsaratanana, herinandro maro izay. Voalaza fa 50 tapitrisa ariary no sandan’ny famotsorana ireo 4 lahy nalaina an-keriny, raha nolazaina tany am-boalohany fa 100 tapitrisa ariary no tambiny. Nisy ihany ireo olona nosambotsamborina voalaza fa tao ambadiky ny fakana an-keriny. Tombanana ho karazana sinema ihany anefa ireny rehefa dinihina fa toa politika avo lenta hoenti-mandroba amin’ny fomba mihaja ny vola amin’ireny orinasam-panjakana ireny no tena tao ambadika. Amin’ny fotoam-pifidianana rahateo, dia matetika no hisehoan’izany ary mety ho goaka mihitsy ny kaonty, ka sao mba efa vita ny afera dia nesorina sao ho tratra farany ny tale jeneralin’ny Kraomita, izay olon’ny HVM no nahalalana azy. Tamin’ireny tolon’ny fanovana ireny, dia efa nisy ihany koa ny ampamoaka maro nataon’ny depiote 73, fa amin’ireny orinasam-panjakana ireny no fakan’ny HVM vola rehefa misy hetsika hatao. Ireny niaraha-nahita ireny ihany koa ny ampamoakan’i Paul Rabary amin’ny fisian’ny ekolazy alaina amin’ny minisitra. Tsy nihambahamba ihany koa i Rivo Rakotovao nilaza, fa izay nahazo misimisy dia manomeza misimisy, fa tonga ny fotoana hamaliana babena ny filoha tamin’ny fotoana nialany tsy ho filoha nasionalin’ny HVM. Izany ve tsy efa mazava fa nangalatra sy nameno paosy e ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.