Politique

Hajo Andrianainarivelo Hampandany an-dRajoelina


  • Talata 14 Aogositra 2018

Hanohana an’i Andry Rajoelina ny Antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM Tarihin’ny filoha nasionaliny Hajo Andrianainarivelo, araka ny fanambarana ofisialy nataony omaly teny amin’ny Hotely Ibis eny Ankorondrano.

 Miantso ny rantsa-mangaikan’ny antokony hiady sy hiezaka ho amin’izany. Tapaka ary nekena io satria efa nifanarahan’ny ARMADA (Alliance Républicaine de Madagascar) izay niforona ny desambra 2014, ahitana ny Antoko Maitso, MAPAR, Avana, MMM, Hiaraka Isika fa hanolotra kandida tokana izy ireo, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Zavatra lehibe 3 no napetraka dia ny fanajana ny teny nomena sy nifanarahan’ny mpiara-dia ao anatin’ny ARMADA, tsy tokony hohamaivanina ny tolom-bahoaka nisy hatramin’izay ka olona vonona sy afaka hanatanteraka izany no antony, ka i Andry Rajoelina dia ambaran’izy ireo fa mahafeno ny fepetra ; tsapa fa naneho fahamatorana sy nihaino sy nisokatra tamin’ny hafa i Andry Rajoelina, ka mahafeno ny fepetra hitondra an’i Madagasikara, hoy hatrany ny fanambaran’i Hajo Andrianainarivelo. Ny taona 2013 moa dia efa kandida filoha izy rehefa tsy nirotsaka Rajoelina. Resy lahatra tamin’ny tolona nataon’ny vahoaka Malagasy rehetra, ary ho anay dia ilaina ireny hahafahan’ny firenena mivoaka amin’ny fahasahiranana, hoy ny filohan’ny MMM. Ny fanaovana tsinontsinona ny ran’ny olona latsaka sy maty izay nitady ny tsaratsara no mahatonga ny famitahana ny vahoaka, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Ny tambiny angatahin’ny MMM, dia ny hoe valio ny hetahetan’ny vahoaka tamin’ny tolona samihafa. Namaly ny hetahetam-bahoaka nolazainy ve i Andry Rajoelina sy ny tetezamitany taorian’ny 2009 ? Nandroso kokoa ve ny firenena sa nihemotra taorian’ny fanonganam-panjakana nataon’izy mianakavy ireo ? Nangoron-karena no nataony ary io iaraha-mahita io ny fampiasam-bola be mihoapampana ataon-dRajoelina. Tsy tolom-bahoaka velively no nisy teto ny 2009 fa fanonganam-panjakana, ka azo hadika avy hatrany hoe manimanina ny tongolon’i Ejipta indray izy sy ny ekipany. Nanana 5 taona tamin’ny tetezamita saingy niha nahantra hatrany ny firenena, tsy nisy ny tany tan-dalàna, ary nirarakopana ny fanondranana harem-pirenena, ny afera maloto,…. Hiezaka haka fanjakana indray izany izao hanohizana ny fanjakan-jiolahy ?

Toky R

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT