Politique

Haingo Rasolofonjoa Tsy tongatonga ho azy io “N°1” io


  • Talata 28 Aogositra 2018

Lohalaharana ny kandida Haingo Rasolofonjoa ao amin’ny biletà tokana. Kandida anisan’ny tanora ary mpikambana tao amin’ny AREMA.


 Tsy tongatonga ho azy ny nahazoany laharana voalohany fa misy antony, hoy izy. Lohalaharana ihany koa amin’ireo kandida avy eto avoan-tany, dia Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina ary i Hery Rajaonarimampianina ao anatin’izay biletà tokana izay. Nilatsaka amin’ny anaran’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena, izay tao anatin’ny AREMA ihany koa. Ambarany fa mahenika ny Distrika 119 manerana ny Nosy ny antoko nanolotra azy. Manamafy ny tenany fa vonona hitandro ny fandriampahalemana sy hanarina ny toeraken’i Madagasikara. Milaza ho vonona hatrany hampandroso ny firenena Malagasy izy, ary hanolotra ny programan’asany tsy ho ela. Tsara ny mampahatsiahy fa tanora anisan’ny namiratra amin’ny fandraharahana izy izay efa nanovo fahalalana tany Frantsa sy Etazonia. Manantena ny hitazona ny laharana voalohany hatrany amin’ny fifidianana filoha, ka tsy hijanona ho filaharana ao anaty biletà tokana ihany io fa hatrany anaty voka-pifidianana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT