Nangina tampoka indray ilay resaka fampihavanana rehefa re isan’andro tamin’ny filazam-baovao. Inona no mety ho antony ? Samy manana ny fomba fahitany azy ny tsirairay, fa raha boriboriana ny resaka dia ndeha atao hoe : mbola eo am-pandinihana ny fomba tsara indrindra irosoana amin’ny dingana ireo mpikarakara.
Fa inona moa ny dingana manaraka ary iza marina no tena mpikarakara any fampihavanam-pirenena eto Madagasikara ? Somary manahirana ihany ny mamaly ireo fanontaniana roa ireo saingy noho ny fikarohana fitoniana moa dia heverina fa hahay hifandamina ihany ireo mpikarakara fa tsy sanatria ny mampihavana indray no hifandramatra sy hiady ho lohany eto. Ny hita sy re farany aloha dia ny hetsika nataon’ny FFKM, tanjona antenantenan’ezaka ho an’ireo filoham-piangonana ny fihaonana an-tampon’ireo filoha nifandimby teto. Mialoha an’izay anefa dia tsy maintsy mbola hidinika amin’ny filoham-pirenena am-perinasa izay efa misora-tena fa madio sy tsy tokony hanao fiaiken-keloka ny FFKM. Ho hita eo izay ho vokatry ny fihaonana. Fa tato anatin’ny andro vitsy izay dia mandeha be ihany koa ny resaka fa hihaona ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina. Hihaona amin’ny fomba ahoana ? Aiza ? rahoviana ? Tsy tsaho io fa zavatra tena misy, saingy raha ny fahafantarana azy dia mbola mandinika tsara ny fomba famindra tena azo antoka i Andry Rajoelina izay tsy te ho ratsy eo imason’ireo mpomba azy, kanefa efa manomana ny ho avy politikany ihany koa ka noho izany tsy maintsy miditra amin’ity fampihavanana ity mba hahatongavana any amin’ny fitoniana.Azo antoka fa hisy fivoarany be ny raharaham-pirenena ato anatin’ny roa herinandro, ary efa misimisy ihany ny fihaonana sy fivoriana any ambadimbadika any hikarohana ny marimaritra iraisana. Ny tantara dia mbola mitohy …
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.