Politique

Hafatr’i Magro ho an’ny filoha Rajaonarimampianina Aza miverin-dalana toy ny fanoron-dratsy na tahaka ilay biby tsy tononina intsony


  • Talata 02 Septambra 2014

Tokony ho nampiasan’ny Emmoreg ny fahaizany mifehy ny lacrymogčne ny valala, hoy Ralaimampisainarinony Manoela tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alatsinainy 1 septambra 2014.

Misy manakana ny fahatongavan’ny vahoaka an-kianja, hoy izy, nefa isika efa nilokaloka fa tsy miala eto raha tsy tafaverina eto ny prezidà Marc Ravalomanana. Manamafy  ny sezan’ny mpitondra  anefa izany famelana an-dRavalomanana hody izany ary izy tsy hilaza mihitsy hoe tohero ny fitondrana. Tsy nisy tsy vitan’ny filoha Ravalomanana teto fa tsy ampy ny fotoana, hoy Rtoa Brenda avy any Ambatondrazaka, milaza ianareo fa masiaka ny kabary eto amin’ny Magro. Tsy mahagaga izany, hoy izy, fa  mahatsapa  ny tsara nialana noho ny fialonana ny vahoaka ka mafy fiteny. Tsy maintsy mitady tetika handravana ny hetsika an-kianja ny mpitondra, hoy i Zafilahy Stanislas. Efa mahatsapa mialoha ny hitranga Ravalomanana ka mialoha lalana hatrany mba tsy ho izy no voatonona fa sakana. Ny hita izao, rehefa kofona ny fitondrana dia makany amin’ny Faritra manao fampanantenana nefa ny nampanantenaina teo aloha aza tsy mbola nisy tanteraka. “Nitondra inona ho an’i Madagasikara ny fiarahana tamin’ny Frantsay ?”, hoy i Feno mpitari-tolon’ny Boriborintany faha-2.  Ny olana teto ry filoha Hery Rajaonarimampiaina  dia fanonganam-panjakana ary tsara toerana ianao nahita izany ka ambaranay fa any ny olana, izany no ilana mpitondra matotra. Rehefa manapa-kevitra dia vitao hatramin’ny farany fa tsy eny antenantenany dia miverin-dalana toy ny fanoron-dratsy na ilay biby tsy tononina intsony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT