Politique

HAFARI MALAGASY Homeo lanja ny fiarahamonim-pirenena


  • Alatsinainy 16 Febroary 2015

Manoloana ny resabe mandeha amin’izao fotoana izao mikasika ny fivarotana tanim-panjakana amin’olon-tsotra dia nanambara mikasika ny azy manokana ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina ka nilaza fa tsy mivarotra tany ny fikambanana tarihiny, fa tanin’olon-tsotra tsy vita titra no hampiasainy, noho izany madio ny sainy ary tsy manana olana amin’ny tetikasa fifindra-monina izay hiantsorohany izy

 

. Rahampitso talata 17 febroary, ohatra, dia hiroso amin’ny dingana ara-panjakana amin’ny fanoratana ny tany amin’ireo mpifindra monina any Soaniedanana izy ireo, hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina, toerana tokana eto Madagasikara hanaovany izany. Ny ampitso sy afak’ampitson’io ny 18 sy 19 febroary dia hanatrika ny fivoriana eny amin’ny CCI Ivato izahay ary hiezaka ny hamonjy ny fanasana manokana avy amin’ny CARE  sy ny ONU HABITAT ary ny sampandraharaha manokana momba ny zon’olombelona avy amin’ny firenena mikambana- Andraharo ihany koa amin’ireo datin’ny 18 sy 19 febroary io. Fihaonana manokana hanadihadian’izy ireo lalindalina kokoa ny amin’ity tetikasan’ny fiarahamonim-pirenena Hafari Malagasy ity ireo fihaonana ireo, izay midika ny fanomezan’ny sehatra iraisam-pirenena lanja  manokana sy fahatokisana anay. Mba irianay koa, hoy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, ny hanomezan’ny fitondram-panjakana malagasy ny lanja misimisy kokoa ireo fiaraha-monina rehetra. Tokony ho jerena mazava, hoy izy, hoe iza no « Société Civile » tena miasa ary mendrika ny ho tohanana amin’ny lafiny rehetra ary afaka mitondra ny anjara birikiny amin’ny fahombiazan’ny vahoaka malagasy.     

Pati/Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT