Politique

Habibiana nataon-dRajoelina tamin’ny taona 2009 Raiki-tapisaka amin’ny ankizy sy tanora niaina izany


  • Zoma 16 Novambra 2018

Omaly alakamisy 15 novambra no nampahafantarina tetsy Ampasanimalo ny fisian’ny hetsika fampirantiana anehoan’ireo fikambanana maro miahy ny ankizy marefo hotanterahina ny 20 sy 21 Novambra ho avy izao.

 

 

 

Marobe ny zon’ny ankizy tsy voahaja eto Madagasikara ka mahatonga azy ireo tsy manana ny toerana mihitsy eo anivon’ny fiarahamonina ary antony hanaovana ny hetsika. Maro be ny ankizy lasibatra amin’ny tsy fahafahana maneho hevitra sy tratran’ ny fanararaotana ara-nofo amin’izao fotoana izao.  Nanambara ny teo anivon’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena ho fiarovana ny ankizy (PFSCE) fa niaina horohoro tanteraka ny ankizy sy ny  tanora tamin’ny fotoana fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Ireo ankizy teraka sy niaina tamin’izany dia saika simba fitondran-tena sy maherihery setra ary be famaliana daholo ny ankamaroany. Tsy omena tsiny fa nandalo fiainana korontana sy horohoro ary didin’ny be sandry izy ireo tamin’izany ka mahatonga ny toetrany be gafigafy sy tia ady. Tamin’ireny fotoana ireny aza moa dia nampanambadiana mbola kely ny ankizivavy kely tany ambanivohitra, eny fa na dia tsy ampy taona aza, noho ny fahasahiranana sy ny fahantran’ny ray aman-dreny nateraky ny fanapotehana orinasa Malagasy maro. Ahiana hatrany ny fahapotehan’ny taranaka Malagasy raha ireo olona tia korontana mpanongam-panjakana namela takaitra ratsy ireo no tafaverina eto amin’ny firenena

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT