Politique

Guy Rivo Randrianarisoa Ny finoana sy fanajana rafitra no hamerenana ny tanjaky ny TIM


  • Talata 26 Aogositra 2014

Nanararaotra ny fanotronany ny hetsika TIM kaominina Ambohimanambola teny amin’ny fokontanin’Antanetibe ny sabotsy teo ny Kestora faha-3 eny amin’ny Antenimieram-pirenena sady mpitondra tenin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana nampitana hafatra ho an’ny mpitolona TIM rehetra avy amin’ireo fokontany 10 mandrafitra ity kaominina ity

Efa nifampiresahana mazava tamin’ny filoha mpanorina ny antoko, hoy izy, fa miainga eny amin’ny rafitra eny ifotony avokoa ny famerenana ny tanjaky ny antoko Tiako i Madagasikara manomboka izao. Ianareo ety amin’ny fototra, hoy izy, no mahafantatra ny olona heverinareo fa afaka mitantana ny rafitra rehetra hitsangana atsy ho atsy ka avy aty aminareo no hiainga ny anaran’ireo ho kandidan’ny TIM amin’ny fifidianana rehetra ho avy. Tsy hisy intsony ny resaka fanendritendrena avy any ambony. Miankina indrindra amin’ny fananana finoana hahavita zavatra araka ny filamatra hoe : “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany”, sy fanajana ny rafitra rehetra misy no hahatanteraka izany. Mino ianao ary manalavitra ny fimenomenomana fanenjikenjehana olona, hoy ity solombavambahoaka ity, fa raha misy zavatra mampifanolana dia tsy misy afa-tsy ny mifampidinika no tsara indrindra. Nitondra fanazavana fanampiny mahakasika ny fikambanan’ny antoko Zanak’i Dada tsy misy fepetra amin’ny antoko TIM araka ny hafatry ny filoha mpanorina Marc Ravalomanana ny filoha nasionalin’ny antoko Zanak’i Dada, Rakotoarivony Jean Pierre. Efa am-pandaminana ny fomba fitantanana ny antoko TIM iombonana izahay, hoy izy, fa manome toky anareo ety ifotony fa avy aty aminareo no andrasana ny lisitr’ireo olona hirotsaka hofidiana amin’ny rafi-pifidianana rehetra ho avy fa tsy hisy intsony izany resaka “parachutage” izany. Nanome toky moa ny filohan’ny antoko TIM Ambohimanambola sady filohan’ny filankevitra kaominaly am-perinasa, Atoa Ramilijaona Donnat Lovaniaina, fa hiverina amin’ny heriny ary efa manomboka mivondrona tanteraka ny mpikambana ao amin’ity sampan antoko tarihany ity. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT