Politique

Guy Rivo Randrianarisoa Nijery manokana an’ireo fianakaviana sahirana teny Morarano


  • Zoma 26 Desambra 2014

Anisan’ny fokontany ao amin’ny Boriborintany faha-5 ahitana fianakaviana tena sahirana ara-pivelomana tokoa ny eny Morarano-Soavimasoandro. Nidina teny an-toerana nialoha ny fetin’ny Krismasy teo ny Kestora faha III

eny amin’ny Antenimieram-pirenena voafidy tao amin’ity distrika ity nitondra ny tsirambin’ny tanana hoentin’izy ireo miatrika ny fety an-karavoana, dia vary 6 gony nozaraina maimaimpoana ho an’ireo efa nahasoratra anarana araka ny fandaminana. Tsy voatery amin’ny andron’ny fampielezankevitra foana isika vao tokony hifankahita tahaka izao, hoy izy, fa tsy maintsy tsinjovina noho ny fahasahiranana misy ianareo vahoaka ary manomboka izao dia aza mety horebireben’ny mpanao politika

amin’ny resaka tsy mahasoa intsony fa mba jereo amin’izay ny hoavinareo. Hampandehano mianatra ny zaza, hikaroka hevitra isika amin’ny tokony hanananareo asa. Na  maro aza ny andraikitra amin’ny maha mpitantana nyAntenimiera ahy, amin’ny maha mpitarika ny ankolafy anay mbola seriny amin’ny famoahana ny filoha Ravalomanana dia tsy nikely soroka izahay nidina ety aminareo nitondra ny fanampiana avy amin’io  Rangahy io sy ny ankolafy. Araka ny dinika nifanaovana taminareo vahoaka teo dia hiverina eto amin’ity fokontany ity izahay amin’ny janoary 2015 hanamboatra ny lalankely mahasahirana anareo ary hijery ny famatsian-drano amin’ny toerana sasany hiaraka amin’ireo mpandraharaha efa nanaiky hanampy anareo koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT