Azo lazaina fa nandresy izahay solombavambahoaka niisa 95 raha ny vokatr’ireny fitsipaham-pitokisana natao ireny no asian-teny, hoy ny Kestora faha-III eny amin’ny Antenimieram-pirenena
. Manana ny heviny eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena mantsy ny depiote maro an’isa. Tsy misy solombavambahoaka hametra-pialana amin’ny toerany izany, satria miakatra ho azy ny mpisolo toerana tamin’ny fifidianana ho solombavambahoaka raha izay no misy. Raha ny fialan’ny depiote no hiriana, hoy ity Kestora faha-III ity dia fandravana ihany no azo atao hanafoanana azy sady manana zo ny amin’izany ny Filoham-pirenena.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.