Nazava ny hafatra nampitain地y Kestora III eny amin地y Antenimieram-pirenena, ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa, tamin段reo solontenan地y vahoakan地y Boriborintany faha-5 niaraka tamin� ireo mpiara-miasa aminy eny amin地y Antenimiera ankehitriny sy ny tambatr弛rinasa Evitras ary koa ireo mpikambana
maromaro avy amin’ny Tiako i Madagasikara notarihan’ny filohany, Razoarimihaja Solofonantenaina sy avy amin’ny antoko Zanak’i Dada notarihan’ny filohany Rakotoarivony Jean Pierre, teny Ambatomaro ny sabotsy teo, tao anatin’ny lanonana fifampiharahabana nahatratra ny taona vaovao 2015. Mila miomana tsara isika mianakavy amin’ny fiatrehana ny fifidianana ben’ny tanàna manaraka eo amin’ny fanendrena ireo kandida amin’izany, hoy izy. Tsy izay te-hirotsaka akory dia hoekena avokoa fa izay tena tian’ny olona no tsara jerena mba hahazoana fandresena. Halavirina lavitra ny lesoka niainana tamin’ny fifidianana depiote lasa teo tamin’ny tsy fifanarahan’ireo kandida nirotsaka tamin’izany. Tsy nohadinoin’ity Kestora ity ny nisaotra an’ireo nanao ny ainy tsy ho zavatra nahatonga azy teo amin’izao toerana izao. Nohararaotiny koa moa ny fihaonana nanaovana ny tatitry ny fivoriana natrehan’izy ireo teny Tsimbazaza farany teo sy namariparitra koa ny zava-bitany niaraka tamin’ireo mipiara-miasa aminy tamin’ireo asa fanasoavana ny vahoaka nandritra izay naha solombavambahoaka azy izay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.