Tara loatra ny fialan’ny praiministra Solonandrasana Olivier teo amin’ny toerany, raha araka ny fanehoan-kevitra nataon’Atoa Guy Maxime omaly.
Raha ny tena marina mantsy hoy ity mpanao politika iray ity dia tamin’ny fotoana efa nampitaraina mafy ireo mpanao politika teto amintsika sy ny nanoloran’izy ireo soso-kevitra entina hampandrosoana ny firenena no efa tokony niala Atoa Solonandrasana Olivier. Tsy niala ihany anefa ity farany na taorian’ny fanambarana nataon’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana aza. Omaly izany no fotoana nety taminy. Mikasika ny fandrena izay ho praiministra lehiben’ny governemanta manokana dia nambaran’ity mpanao politika iray ity fa tsy tokony hivoana amin’ilay artikla laharana faha-56 voasoratra ao anatin’ny lalàmpanorenana izany. Io hatrany mantsy no efa niteraka olana teto amin’ny firenena hatramin’izay noho izany dia tokony hivoaka avy amin’ny MAPAR ny praiminisitra satria izy ireo no manana ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.