Mitaky ny fanafoanana tsy misy hatak’andro ny didim-pitsarana tsy ara-dalàna tamin’ny 2010 izay manameloka tsy ara-drariny ny Filoha Marc Ravalomanana, ny GTT mba ahafahany manatanteraka ny andraikiny an-tsakany sy an-davany ary amin’ny maha olom-pirenena tsotra azy.
Mangataka ny fampiharana araka ny fifanekena sy fanomezan-toky, ireo fehin-kevitra nifanarahana sy nosoniavina tamin’ny fampihavanam-pirenena natao tao amin’ny CCI Ivato ny 2 mey 2015 ihany koa ny GTT. Nivoitra io tamin’ny fanambarana taorian’ny fivoriana nataon’ny GTT tany Parisy Frantsa ny sabotsy 23 mey 2015 teo. Tamin’io fanambarana io koa no niarahaban’ny GTT sy ankasitrahany tanteraka ny nahalany ny filoha Marc Ravalomanana ho mpitantana ny antoko TIM. Mikasika ny fifidianana kaominaly ho avy dia manohana ireo kandidà rehetra milatsaka ho Ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara izay tarihin’i Lalao Ravalomanana ny GTT.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.