Manana ny ambarany mikasika an’ilay fanemorana ny fihaonambe nasionaly hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena ny antoko politika Green Gasikara. Nolazainy fa raha vao nitsoaka an-daharana tamin’ny dinika ireo anankiroa tamin’izy 5 mianaka efa nitondra ny firenena dia efa nanambara ry zareo fa tokony hampihavanina aloha izy 5 ireo vao hotohizana indray ny manaraka.
Tsy nety anefa ny FFKM, hoy ny Green Gasikara fa nalefany ihany ilay izy ary nolazainy fa tsisy olana ny tsy maha-eo an’izy ireo. Nefa dia izao no vokany. Faharoa, hoy Rtoa Tsimisoma Attuyat filoha nasionaliny, dia ambara etoana fa ratsy fanomanana ilay fidinana ifotony nakana ny hevitry ny vahoaka. Voalaza, hoy ny Green izay anisan’ireo nandray anjara mavitrika tany amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy fa hoe haverina daholo ny saran-dalana sy ny fotoana lany tany amin’ny naleha. Ny an’ny sasany anefa vola tsy feno no naverina taminy, nisy mihitsy aza tany amin’ny Faritra sasany tsy nahazo ny anjarany ireo mpizaika. Nisy aza moa toerana sasany izay any ambanivolo lavitra any tsy nahalala akory izany hoe FFKM hidina any amin-dry zareo izany, hany ka ny fitondram-panjakana mihitsy no nindram-bola tamin’olon-tsotra homena ireo mpizaika tany amin’ny Faritra nefa nodradraina fatratra ery fa hoe tsy ekena intsony ny tsy matimanota. Ahoana moa no inoan’ny vahoaka amin’izany, hoy ry zareo ireto, fa tsy hisy intsony izany trangan-javatra izany ? Tsy mainty miverina ho azy ny tsy matimanota. Ka tsy aleo ve mifanampy fa izay no fihavanana voalohany ho an’ny Malagasy ? Vonjena aloha ireo traboina manerana ny Nosy vao hirosoana ity fampihavanam-pirenena ity. Mikasika ilay rafitra fampihavanam-pirenena dia manainga mavesatra ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny Green mba handrava ity FFM ity raha tena mijery ny fiainam-bahoaka marina fa tsy hiafinafina ao ambadika ao foana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.