Politique

Green Gasikara Mendrika ho ravana ny rafitra mpanao lalŕna ankehitriny


  • Talata 05 Mey 2015

Nampiteraka resabe tamin’ny tontolo politika eto amin’ny firenena ny fehin-kevitra navoakan’ny dinika fampihavanam-pirenena notarihan’ny FFKM. Ireo voakitikitika ny sezany no tena mampiaka-peo. Manana ny heviny koa anefa ny hafa, toy ireo antoko politika ety an-tsisiny.

 


Mimenomenona izaitsizy ireo solombavambahoaka mahakasika ilay fehin-kevitry ny diniky ny fampihavanam-pirenena ka nahalaza fa tsy hevitry ny daholobe ireny teny amin’ny CCI Ivato ireny. Mahagaga anefa fa dia ireny no solontenan’ireo vahoaka nifidy azy ireo tamin’ny fifidianana depiote, hoy Rafidinjatovo Zafimahaleo mpandrindra ny Green Gasikara, ary betsaka noho ny depiote 150 nanao sonia ny fitakiany ny olona 2 000 niatrika io dinika fampihavanam-pirenena io. Rariny ny fandravana ireo rafitra tsy mamokatra eto amin’ny firenena, hoy izy, ary voalohany amin’izany ary mendrika ny horavana ny rafitra Antenimieram-pirenena ankehitriny. Koa mangataka amin’ny filoham-pirenena izahay Green Gasikara amin’ny maha mpandrindra nasionaly ahy, ary mampirisika azy hiroso hanatanteraka izay tapaka teny Ivato mba tsy hiverenan’ny fifanarahana tany MAPUTO ka tsy nisy notanterahana akory izay nifanekena.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT