Politique

“Grand Sud Est” Tokony ho Faritany faha-7


  • Alarobia 20 Aogositra 2014

Tanŕna maro eto Madagasikara no mangataka mba ho lasa kaominina, misy koa ireo kaominina mangataka ny ho lasa distrika ary misy distrika no te ho Faritra. Mba hampisy fampandrosoana bebe kokoa any amin’ireo toerana ireo no anton’izany, hoy i Andriantsizehena Benja Urbain.

Noraisiny ho ohatra ny Faritra Vatovavy Fitovinany izay midadasika loatra ka tokony hosarahina ary atao Faritany manokana faha-7 eto Madagasikara i Vatovavy sy i Fitovinany ary ny “Grand Sud Est”. Efa nandrasan’ny vahoaka ny lalàna mifehy ny vondrombahoakam-paritra, hoy izy, ka antenaina ny hampiharan’ny governemanta azy, hananan’ny Faritra tsirairay herijika amin’ny fampandrosoana ifotony. Mikasika ny resabe manodidina ny hizarazarana an’Antananarivo Renivohitra dia nilaza ity depioten’i Manakara ity fa “raha tiana ho iray tsy mivaky Antananarivo dia tokony hofoanana ireo Distrika enina ka ny Prefektoran’ny polisy irery no hitantana ny tanàna, avelao hofidian’ny mponin’Antananarivo manontolo fa tsy isaky ny boriborintany ny solombavambahoaka roa ambin’ny folo, ary Ben’ny tanàna tokana no hofidian’ny vahoaka”. Hampisy ny fampandrosoana ifotony no antony hifidianana ny Ben’ny tanàna, solon’ny delegen’ny Boriborintany, hoy ity depiote VPM/MMM ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT