Tsy vao izao no niainan’ny vahoaka Malagasy ny tsy fitovian-kevitra na fomba fijery eo amin’ireo sokajiana ho tompon’andraikitra mitantana ny tany sy ny fanjakana na koa ireo mpanao politika amin’ny ankapobeny izay mikatsaka fahefana sy seza
. Azo ambara anefa fa fomba mamohehatra sy tena manimba ny fiainam-pirenena hatramin’izay ny trangan-javatra fifanolanana eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna izay mbola lalovan’i Madagasikara indray amin’izao fiatombohan’ny Repoblika faha-IV izao. Sokajian’ny olom-pirenena ho horonantsary efa nandeha rahateo ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny amin’ny tsy maintsy hiarahan’ireo andrimpanjakana rehetra sy ny hery politika samihafa miara-miasa ho fanavotana ny firenena. Tsy maintsy ifampieran’ny an-daniny sy ny an-kilany noho izany manomboka eto ireo fanapahan-kevitra rehetra havoakan’ny fanjakana eto Madagasikara. Mbola vahaolana politika indray io fitantanana marimaritra iraisana noraisin’ny HCC io izay fijerena manokana ihany koa ny tombontsoan’ireo mpanao politika manoloana ny fahantrana sy fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy 24 tapitrisa, araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.