Politique

Governemanta vaovao Ireo mety hotendrena praiminisitra…


  • Talata 29 Mey 2018

Adihevitra lehibe eto amin’ny firenena ny ho anaran’izay praiminisitra vaovao, taorian’ny didy navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ny 25 mey lasa teo, fa tsy maintsy ravana ao anatin’ny 7 andro ny governemanta.

Anarana maro no efa re siosio, anisan’ireny i Norbert Lala Ratsirahonana, iray amin’ireo mpanao politika tsy atoro voanjo hadiana amin’ny kajikajy politika eto amin’ny firenena. Saika hita tao ambadik’ireo fitondram-panjakana telo nifanesy, dia tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina, ary i Hery Rajaonarimampianina. Re ihany koa ny anaran’i Mahazoasy Fréddie, depiote HVM sady filoha lefitry ny antenimieram-pirenena. Mbola anarana depiote hafa malaza mety hahazo toerana ihany koa i Hary Andrianarivo, depioten’Ambositra lany tamin’ny alalan’ny tsy miankina dia ny Mampiray, ary miara-dia amin’ny depiote 73. Re fa mety hatolotry ny MAPAR ihany ny Kolonely Lylison, loholona lany tamin’ny anaran’io antoko io, ary misitrika mandrak’androany noho ny fanenjehan’ny fitondrana HVM azy. Anarana tsy dia fantatra loatra teo amin’ny politika kosa ny anaran’i Erick Rajaonary, izay mpandraharaha tompon’ny orinasa Guanomad. Efa tao anatin’ny anarana hotendrena praiminisitra ny tenany tamin’ny fikarohana izay hisolo an’i Kolo Roger, saingy ny Jeneraly Jean Ravelonarivo no nahazo ny toerana. Ireo aloha no anarana re siosio ankoatra izay mety mbola hipoitra eo. Praiminisitra sy governemanta teknika tsy miandany, ary hiara-kisalahy amin’ny CENI amin’ny fikarakarana fifidianana no tokony hitsangana eo ary teknisiana no maro an’isa ao anatiny. Mety hiteraka olana politika hafa araka izany, raha olona mazava be ny firehana politika sy ny antokony, izay ahiana hampiasa fahefana hampandresy ny antokony amin’ny fifidianana, izay voalazan’ny didin’ny HCC fa hatao mialoha ny fotoana raha tomombana ny hoenti-manana ara-teknika, ara-pitaovana, indrindra ny ara-bola. Raha ny lalàmpanorenana dia voalazan’ny andininy faha-54, fa ny antoko na vondron’antoko maro an’isa no manolotra izay ho anaran’ny praiminisitra. Ny famaritana io maro an’isa io, dia mifandraika amin’ny fandikana na « interprétations » nataon’ny HCC tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana laharahana n°01-HCC/AV ny 17 febroary 2014, ary nohamafisin’ny didim-pitondrana 11-CES/AR.14 ny 06 febroary 2014, izay mikasika ny fampahafantarana ofisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka, izay nahafaha-namaritra avy hatrany ny maro an’isa. Midika avy hatrany aloha io, fa tsy ho ao anaty kajy ny HVM, izany hoe tsy handaitra intsony ny maro an’isa sadasada toy ny tamin’ny 2014.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT