Voafaritra ao anatin’ny boky IEM fa miisa 21 na 22 eo miaraka amin’ny praiminisitra ireo mpikamban’ny governemanta.
Ny eo anivon’ny primatiora dia Atoa Ntsay Louis Christian no voatendry ho praiminisitra miampy lefitra misahana ny fandrindrana ny IEM, ka mety ho Atoa Fienena Richard io. Eo amin’ny fototra ara-tsosialy dia mety hotendrena ho praiminisitra lefitra misahana ny mponina i Lucien Irmah Naharimamy. Ho minisitry ny fahasalamana ny Dr Rajaobelina Lova Herizo. Minisitry ny fanabeazana sy ny fikarohana siantifika Ramatoa Yvette Sylla. Minisitry ny asa sy ny fampiofanana ara-teknika ary ny fanofanana arak’asa i Pierre Houlder. Minisitra misahana ny asam-panjakana sy ny fampivoarana ny fitantanan-draharaha i Tianarivelo Razafimahefa. Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena i Lalatiana Rakotondrazafy. Eo amin’ny fototra iaingan’ilay “emergence” ao anatin’ny IEM indray dia mety hatao praiminisitra lefitra hisahana ny asa vaventy sy ny fitaterana ary ny fanajariana ny tany i Christine Razanamahasoa. Minisitry ny raharaham-bahiny i Lanto Rakotomanga. Minisitry ny fitsarana i Florent Rakotoarisoa. Minisitry ny vola sy ny tetibola Ramarolahy Christian. Minisitry ny atitany sy ny fiarovam-pirenena sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny fiarovam-pirenena sahanin’ny zandarimaria ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Minisitry ny fiarovam-pirenena ny Jeneraly Ndriarijaona André. Minisitry ny serasera sy ny paositra i Augustin Andriamananoro. Minisitry ny filaminana anatiny i Erick Michel Idrissa. Ho an’ny fototra iaingan’ny paikady ara-toekarena sy fihazakazahan’ny fandrosoana dia mety hapetraka ho praiminisitra lefitra hisahana ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina i Jean Brunel Razafitsiandraofa. Minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny solika i Volahaingo Marie Thérèse. Minisitry ny fizahantany sy ny kolontsaina Rahantanirina Lalao. Minisitry ny tontolo iainana i Saraha Rabearisoa. Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana i Siteny Andrianasoloniaiko. Minisitry ny jono i Kathy. Mety tsy hisy fiovana be ireo fa ny 75% farafahakeliny no mety hotazonina, raha ny fanadihadiana natao. Ny ho avy anefa no hanamarina an’izay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.