Na dia tsy mbola ofisialy aza ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta dia maro kosa ireo depiote resy lahatra fa tsy maintsy hirosoana izany taorian’iny fifidianana kaominaly izay namaritra ny fifandanjan-kery politika vaovao eto amin’ny firenena iny
. Efa samy mihetsiketsika noho izany ireo etamazaoro politika ary tsy vitsy amin’izy ireo no efa manana anarana atolotra ho minisitra. Re izao fa efa vonona ny ho minisitra Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa filohan’ny antoko maitso sy mpiara-miasa aminy ka toerana 3 na 4 no heverin’izy ireo ho azo. Tsy mandà ny hidirany ao anaty governemanta ihany koa ny jeneraly Camille Vital saingy miandry izay fanapahan-kevitry ny vondrona Armada misy ny antokony. Efa manana anarana hatolotra ho minisitra koa ry zareo Mapar. Mihevitra fa tokony hahazo toerana maromaro ao anatin’ity governemanta vaovao ity ihany koa ny TIM izay voasokajy ho antoko politika faharoa matanjaka eto Madagasikara amin’izao fotoana aorian’ny HVM raha ny voka-pifidianana kaominaly no raisina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.