Politique

Governemanta tsy mahomby Minisitra maro no mihozongozona seza


  • Alakamisy 09 Aprily 2015

Ny alakamisy 26 febroary 2015 teo no nanomboka ny zato andro napetraky ny Jeneraly Jean Ravelonarivo, praiminisitra lehiben’ny governemanta hitsarana ny fahombiazan’ireo minisitra ao aminy.

 

Aorian’io fe-potoana io dia  hisy ny fitsarana ny zava-bitan’ny minisitra tsirairay ka raha ny tokony ho izy dia soloina ireo tsy mahomby.  Anisan’ny be mpanakiana ny minisitry ny Atitany sy ny tolo-dalàny mikasika ny sata manokan’Antananarivo izay nandaniana vola maro teny amin’ny Antenimieram-pirenena tamin’ireny fivoriana tsy ara-potoana ireny, ny minisitry ny Jono sy ireny raharaha soavalin-drano na   “Hippocampe” ireny. Eo ihany koa ny fiparitahan’ireo zana-trondro madinika eny an-tsena rehetra eny toa tsy misy fanaraha-maso intsony, eny fa na dia tsy fotoanan’ny fikatonan’ny fanjonoana aza izao. Ho lany tamingana ny tarana-trondro raha izao no mitohy. Ho an’ny minisiteran’ny  Fanatanjahantena moa dia ny fandraisana ireo atleta nandresy tany ampita no tena misongadina. Tsy hita mazava ny politika nasionalin’ny fanatanjahantena. Ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy izay kely indrindra andraisantsika anjara aza moa tsy mbola hita izay fampivondronana  ho fanomanana. Misy milaza ho  mafy lamosina moa amin’ireo minisitra ireo na dia tsy mahomby aza fa dia ho hita eo  hoe hatraiza ny  tena fahasahian’ny praiminisitra hanala azy amin’ny  toerany ?


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT