Araka ny loharanom-baovao voaray dia mikorontana tanteraka ny governemanta tarihan`ny praiminisitra Ntsay Christian. Miady ary sakay sy maso tanteraka ireo mpikambana ao amin`izao fotoana izao.
Misy hatramin`ireo mpikambana maromaro mikasa hametra-pialana faobe. Nisy feo koa nandeha satria tsy mahafehy ny didy fanapahana ny fanomezan-kevitra izay nataon`ny HCC mahakasika ny filoham-panjakana dia milaza zareo fa milaza ry zareo fa azo ravaina ny governemanta, indrindra ny praiminisitra. Raha dinihana anefa ny lalàna dia mazava fa nanomboka tany amin`ilay didy fanapahana tamin`ny krizy ny 25 mey 2018 no niaingan`ny zava-drehetra. Ka raha iny no tsy maintsy hampiharin`ireo rafi-panjakana sy ny mpitondra fanjakana dia tsy azo adinoina fa misy hevitra navoakan`ny HCC izay niainga avy tamin`ny andininy faha-118 amin`ny lalàmpanorenana. Midika izany fa mitohy ilay fanomezan-kevitry ny HCC ka fehin’izany dia tsy azo ampiarina amin`ny rafitra rehetra raha amin`ny fotoana ara-dalàna satria niainga avy tamin`ireny didy tsy maintsy tanterahina ireny ilay izy dia tokony hitovy lanja amin`ny didy fanapahana ka tsy maintsy hajaina ilay fanehoana hevitra navoakan`ny HCC taorian`ny fanontaniana napetraky ny filoham-pirenena alohan`ny fametraham-pialany. Araka izany, tsy azo ekena ny fametraham-pialana ataon`ny mpikamban`ny governemanta na anankiray aza. Ny fametraham-pialana mantsy dia tsy maintsy misy “act administratif” izany hoe misy ilay didim-panjakana no “constatè” azy. Ka raha hametraham-pialana ny mpikambana eo anivon`ny governemanta dia azo atao tsara ny manohitra izany. Ankoatra izay, mazava ihany koa ny voalaza tamin`ireny didy fanapahana ireny fa tsy azo soloina ny lehiben`ny governemanta anatin`ny fikarakarana fifidianana mandra-pametrahana ny filoham-pirenena vaovao. Izany hoe, raha nanaiky niditra ho mpikambana ao anatin`ny governemanta izy ireo dia tsy afaka miala. Iaraha mahafantatra fa sarotra ny fiarahamonin`ny governemanta amin`izao satria antoko politika nifampitsipaka sy nifanenjika no mandrafitra izany ka samy miaro ny azy avokoa ny rehetra ary tsy misy intsony ny firaisankina, hany ka mifanipaka an-karona tanteraka. Raha misy ny ady na zavatra tsy hifanarahana dia tokony hanana foto-pisainana mpitondra firenena ambony ka tombontsoa ambonin`ny firenena no tsinjovina. Miditra amin`ny propagandy sy fifidianana, miendrika fanakorontanana izany tsy fifanarahana ka adidin`izy ireo no mandamina izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.