Araka ny loharanom-baovao voaray iray dia re fa hoe mikorontana tanteraka ny governemanta tarihan`ny praiministra Ntsay Christian amin’izao fotoana.
Miady an-trano tena ary sakay sy maso tanteraka ireo mpikambana ao. Samy miaro ny azy avokoa ny rehetra ary tsy misy intsony ny firaisankina, hany ka mifanipaka an-karona tanteraka. Raha ny fantatra dia ny praiminisitra Ntsay no fototry ny olana satria maro ireo fahadisoana ataony toy ny fidinany an-tsehatra tamin`ny resaka angidim-by tamin`ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) ny herinandro lasa teo. Na dia miezaka mitazona ny tsy tokony hisian`ny fiandaniana politika eo anivon`ny asam-panjakana dia tsikaritra hatrany fa manao hadisoana foana ny tenany. Tsy fantatra raha misy ny tsindry manery azy hanao ireny fahadisoana ireny fa ny fantatra dia mikorontana ambony ambany ny governemanta Ntsay Christian. Tsy tokony hisy fanavakavahana na tsindry politika sy hevitra amin`ny fanatanterahana ny satam-panjakana ho fitsinjovana ny fitoniana mandritra ny fotoam-pifidianana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.