Omaly no nanatanteraka ny fihaonana isan-kerinandro fanaony amin’ny mpanao gazety teny amin’ny minisiteran’ny mponina teny Ambohijatovo ny avy eo anivon’ny governemanta.
Tsy dia nisy zava-baovao nisongadina loatra nambara fa ny efa voalaza teny Mahazoarivo ihany no nohamafisina. Ny minisitry ny mponina moa no nitondra ny tenin’ny fahefana mpanatanteraka omaly io. Nisongadina fotsiny tamin’ny resaka nolazaina ny fisiana vinavinam-pampihavanana atao any atsimo noho ireny zava-nitranga tamin’ny volana Aprily lasa teo ireny dia ny ady teo amin’ny tanànan’Andranodambo sy Ambatotsivala ka misy ny vola hatokana ho amin’izany avy amin’ny fitondram-panjakana. Teo ihany koa ny fiaiken’ny governemanta fa tsy vita ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoana eny Tsimbazaza eny ny fandinihana ny lalàna fehizoro izay nihazakazahan’izy ireo natao. Noho izany dia tsy maintsy misy ny fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana hafa, aorian’ny fahataperan’ny fivoriana tsy ara-potoana misy amin’izao fotoana. Kabary tsy valiana ny an’ny mpitondra tenin’ny governemanta omaly, ary na dia nisy aza ny fanontaniana avy amin’ny mpanao gazety momba ireo lohahevitra mafana amin’ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana dia tsy nety namaly izany ny governemanta tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny. Fotoana izao efa tokony hanovana haingana ilay fomba fiasa ka tsy ho « point de presse » hitanisana na hanaovana tsianjery ny zava-bita sy ny zava-kinendry fotsiny no atao fa « conférence de presse » hahafahan’ny roa tonta (mpitondra sy mpanao gazety) miady hevitra, mifanakalo hevitra momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny sy ireo zavatra nanamarika ny herinandro ary ny lohahevitra manitikitika ny sain’ny olona. Fanirian’ny maro ny mba hahamatotra kokoa ny fomba fiasan’ny fitondram-panjakana ka atomboka amin’ny fanazavana ny zava-misy izany, fa tsy resaka mipasoka ny efa malama no hanadalana saim-bahoaka isan-kerinandro
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.