Politique

Governemanta Malagasy Miala sasatra ?


  • Zoma 28 Desambra 2018

Miatrika kihon-dalana lehibe ny firenena ankehitriny kanefa fantatra fa miala sasatra ny governemanta Malagasy. Andraikitra voalohany sahaniny anefa ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana mangarahara, milamina ary eken`ny rehetra.

 Raha tsiahivina, ny 15 desambra lasa teo no niatrika filankevitry ny governemanta farany tamin`ity taona ity tany Mantasoa izy ireo. Mody mihataka ve sa fombafomba fotsiny ? Ny CENI no natokana hisahana ny fifidianana kanefa toa mampiahiahy ihany izao fialan-tsasatra izao. Raha  vantanina ny resaka, tsy tompon’andraikitra ny olona toy izany satria aid-dehibe ny fifidianana filoham-pirenena kanefa feno hosoka ity  fifidianana filoham-pirenena ity.  Niaraha-nahita ny fitanilana nisy tamin`ny fizotry ny fifidianana. Raha hiverenana ny tantara, ny taona 2002, araka ny fanazavan`i Norbert Lala Ratsirahonana dia nitaky ny teo anivon`ny antoko Tiako I Madagasikara hanaovana fampitahana fitanana an-tsoratra kanefa tsy nanaiky ny filoham-pirenena tamin`izany, Didier Ratsiraka,  satria ny fetrandro fito andro lazain`ny lalàna no mody nataon`ny fitondrana hevitra ary tsy maintsy nekena ny fito andro hanaovan`ny HCC fanambarana ofisialy. Raha tamin`izany no najanona ka natao ny famerenana fanisana vato dia tsy nisy ny raharaha 2002. Nanamafy i Norbert Lala Ratsirahonana fa raha nisy ny fihodinana faharoa dia lany Ratsiraka satria nitanila ny fitondrana sady ny minisiteran`ny atitany dia mbola teo am-pelatanany. Hitam-poko sy hitam-pirenena fa miharihary ny fitanilana misy eo anivon`ity governemanta ity.  Niditra ao anatin`ny fialan-tsasatra ny governemanta kanefa ao anatin`ny vanim-potoana manan-danja eto amin`ny tany sy firenena izao indrindra no mila mampiseho fandraisana andraikitra amin`ny fitandroana ny filaminana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT