Politique

Governemanta Kolo Tsy tia ireo fiara 4x4 eny Iavoloha ?


  • Zoma 14 Novambra 2014

Nanaitra ny nilazan’ny minisitry ny fiompiana Randriamampionona Joseph Martin, raha nivahiny tao amina radio tsy miankina iray teto an-drenivohitra izy ny fiandohan’ny herinandro teo, fa dia mbola ny fiarany no ampiasainy mandeha miasa hatramin’izao, na efa enim-bolana tao anaty governemanta aza

Tsy nambarany kosa hoe hofaina sa ampiasaina maimaimpoana. Na izany aza, mipetraka ihany ny fanontaniana hoe : fa nankaiza ny fiara nolovainy tamin’ny minisitra nodimbiasiny toerana ? Sa tsy metimety aminy  ? Tsy io fampifangaroana ny fananana manokana amin’ny fananam-panjakana io ihany ve no nanenjehan’ny mpanao politika sasany ny filoha Ravalomanana ary nohararaotin’izy ireo nanonganana azy tamin-kery teo amin’ny fitondrana tamin’ny 2009, no mbola izany no kisary tadiavin’ny sasany haverina indray ankehitriny ? Raha fiara 4x4 no tian’ny minisitra, manana maro ny fiadidiana ny Repoblika dia ireo fiara miisa 350, fanomezana avy amina mpandraharaha mpanefoefo sinoa. Sa tsy ifampizarana amin’ny governemanta ireo mba hampandehanan-draharaha ? Toa nomena mantsy ny foloalindahy, nahazo koa ny birao  maharitry ny Antenimieram-pirenena, dia ho diso anjara ve ny governemanta ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT