Maro ankehitriny ny olom-pirenena tsy mahafantatra akory fa miisa 31 ny mpikambana ao anatin’ny governemanta. Araka ny fanadihadiana tsotsotra nataon’ny gazety Tia Tanindrazana tamina ampahan’olom-pirenena monina eto Antananarivo renivohitra dia tsy vitsy ny olona tsy mahafantatra ny anaran’ny praiminisitra.
Malaza ratsy
Mbola resaka hafa raha toa ka ny anarana minisitra sy ny andraikitra iantsorohany no hanaovana fanadihadiana satria tsy fantary ny olona. Na izany aza anefa dia mba maro ihany no mahafantatra fa ny Dr Kolo Roger no praiminisitra lehiben’ny governemanta, tsy fantatry ny olona nohadihadiana mihitsy anefa hoe minisitry ny fahasalamana ihany koa ny praiminisitra. Hatreto aloha dia azo isaina amin’ny rantsan-tanana ireo minisitra fantatry ny olona, tahaka an’i Rivo Rakotovao minisi-panjakana misahana ny fotodrafitrasa sy ny fanajariana ny tany, nalaza tamin’ny resaka fanagadrana mpanao gazety, eo ihany koa i Paul Rabary minisitry ny fanabeazam-pirenena, mpandinika fiarahamonina sy be fanakianana nandritra ny tetezamita no tena nahatadidiavan’ny olona azy. Resy lahatra anefa ny maro an’isa tamin’ny fanontanian’ny mpanao gazety fa tsy mahazaka ny minisiteran’ny fampianarana izy ary tena nidi-kizo. Malaza ireo minisitra roa ireo saingy indrisy fa…malaza ratsy. Fantatry ny olona i Roland Ravatomanga, minisitry ny fambolena noho izy mitarika ny ankolafy Ravalomanana sy efa tao anatin’ny governemanta Beriziky ; tahaka izany ihany koa i Roland Ratsiraka minisitry ny asa vaventy ary efa filoha lefitry ny CST teo aloha, re sy hita matetika amin’ny filazam-baovao. Noho ny maha mpanorina ny Discount Store Saturne azy no nahatadidiavan’ny olona an’i Joseph Martin Randriamampionona na i Dadafara izay minisitry ny fiompiana. Ankoatra ireo dia mba fantatry ny olona ihany Atoa isany Maharante Jean de Dieu minisitry ny asam-panjakana sy ny asa, ny jeneraly Jean Olivier Dominique minisitry ny fiarovam-pirenena sy Jules Etienne minisitry ny Indostria.
Mandany volam-bahoaka fotsiny ?
Minisitra 9 amin’ny 31 izany no mba tena fantatry ny Malagasy ao anatin’ny governemanta ary tsy atao mahagaga izany satria mangina sy tsy andrenesam-peo ny hafa, tsy mba mampahafantatra ny zavatra ataony, tsy mba mampiasa ny fitaovan-tserasera, tsy miezaka mihaona sy mifangaro amin’ny vahoaka, tsy miasa ho an’ny firenena mihitsy aza, hoy ny olona sasany. Eo indrindra no tena olana satria volam-bahoaka an-tapitrisany ariary isam-bolana no lanian’ny tsirairay amin’ireo minisitra ireo, tsy hita akory anefa izay tena asa mivaingana vita. Na ilay tatitra isan-kerinandro tokony hataon’ny governemanta aza, misy avy eo tsy misy. Saro-piaro ny olom-pirenena tsotra satria noho ny tsy fisian’ny fampitam-baovao marina dia mihevitra izy ireo fa tena mandany volam-bahoaka fotsiny ireto minisitra ireto fa tsy miasa akory. Raha mba tena miasa moa fa tsy mahay mampahafantatra ny asa ataony, tsy dia maninona, fa ny ratsy dia ny hoe tsy manao na inona na inona ary dia tsy misy ambara fa dia miditra birao isan’andro fotsiny. Mba fantatry ny olona ve izao i Andre Rakotomamonjy minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra na i Monique Rasoazananera minisitry ny fampiarana ambaratonga ambony ; eo ihany koa ohatra i Blaise Richard Randimbisoa minisitry ny filaminana anatiny, na i Anthelme Ramparany anie no minisitry ny tontolo iainana. Tsy resy lahatra amin’ny zavatra ataon’ilay fitondrana ny olona satria tsapany fa tsy miasa akory ireo fahefana mpanatanteraka dia ireo minisitra izany, ho an’ny olon-tsotra dia kajikay politika no naha minisitra ny 95%-n’ny mpikambana ao amin’ny governemanta fa tsy noho ny fahaizany sy ny fahavononany hampandroso tokoa ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.