Politique

Governemanta Hamelabelatra ny fandaharanasany anio


  • Alarobia 11 Febroary 2015

Miditra amin’ny 9 ora amin’ity maraina ity ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza hiatrika ny fivoriambe itambarana. Amin’ny 10 ora kosa no higadona eny an-toerana ny praiminisitra ka hamelabelatra ilay politika ankapoben’ny fanjakana (PGE).

 

Ity ilay drafitra tsy maintsy hatolotra ny parlemanta iray volana aorian’ny nanendrena ny praiminisitra. Hamaritra ireo asa hatrehana sy hotanterahana amin’ny fohy, antonony ary lavitr’ezaka ny politika ankapoben’ny fanjakana, ary mifandray amin’ny fampanantenana sy ny vina nataon’ny filohan’ny repoblika. Omaly tolakandro moa no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoan’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza, izay hifantoka amin’ny fandinihana ny PGE, nanamafy ihany anefa ny filohan’ity andrim-panjakana ity Atoa Jean Max Rakotomamonjy fa zava-dehibe ny fanaovan’ireo solombavambahoaka ny fanambaram-pananan’izy ireo. Mbola re teny Tsimbazaza ihany koa omaly ny fizirizirian’ireo solombavambahoaka ny amin’ny tsy maintsy hahazoan’izy ireo ny fiara 4X4 fa hoe tena ilain’izy ireo amin’ny asa, hono, izany. Tsara homarihana fa bolongam-bola hatrany amin’ny 12 miliara ariary no natokan’ny fitondram-panjakana malagasy hanampiana ireo depiote 151 amin’ny fividianana fiara 4X4. Nisongadina koa omaly ny fanolorana ofisialy ny fiverenan’ny ministra teo aloha Rtoa Voanalaroy ho depiote sy ny hevitra amin’ny hanaovan’ny depiote tolo-tanana manokana hoan’ireo tra-boina sy kere.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT