Nosoloina ny praiminisitra fa tsy niova kosa ireo minisitra mpikambana fa nasiana fanamboarana fotsiny. Tsy mitombina ny filazana fa fanovana no natao tamin’ireo tompon’andraikitra mpanatanteraka, hoy ireo mpandinika ny toe-draharaha politika
taorian’ny fitsanganan’ny governemanta Ravelonarivo Jean ny alahady 25 janoary 2015 teo. Sokajin’ireto farany fa nitondra fandaminana vaovao amin’ny fomba hitantanana ny raharaham-panjakana ny filoham-pirenena mba ahazoam-bokatra tsaratsara kokoa. Mieritreritra moa ny mpanara-baovao politika fa tsy maintsy mbola hiroso amin’ny tena fanovana tanteraka ireo mpiara-miasa mpanatanteraka afaka hanatontosa ny vina sy ny fandaharanasana nampanantenainy ny vahoaka ny filohan’ny Repoblika, araka ny fanazavany tamin’ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha farany teo. Nambarany rahateo izany amin’ny maha-tompon’andraikitra voalohany azy nandritra io fotoana io. Safidy manokan’ny filoha Rajaonarimampianina Hery rahateo ny 95%-n’ireo minisitra mandrafitra ny governemanta Ravelonarivo Jean ankehitriny, araka ny tsiliantsofina re.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.