Hifamotoana eny amin’ny Carlton indray anio ny «Groupe International de Soutien à Madagascar» sy ny mpitondra Malagasy. Nahazo enti-mody maromaro ny fitondram-panjakana Malagasy nandritra ny fihaonana voalohany teny Ankorondrano tamin’ny tapa-taona 2014
. Notakian’ny vondron’ireo firenena vahiny mpanohana an’i Madagasikara tamin’izany ny fampiharana ireo andininy tsy mbola tontosa ao anatin’ny tondrozotra tahaka ny fampodiana tsy misy fepetra ireo sesitany sy ny famoahana ireo gadra politika na koa ny fanokafana ireo haino aman-jery voatery nakatona. Hanaovana jery todika ihany koa ohatra ny fampihavanam-pirenena, ny fivoaran’ny raharaha mahakasika ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, ny fizotran’ny fitantanana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Hanazava lalindalina kokoa ny momba ny drafi-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny governemanta mandritra ity fivorian’ny roa tonta ity. Hanome ny heviny sy hamaritra ny dingana manaraka entina hanampiana an’i Madagasikara ihany koa moa ny GIS-Madagascar.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.