Herinandro izay no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fandraisana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana filoham-pirenena.
Kandida roa dia Andry Rajoelina (TGV) sy Jean Ravelonarivo (Antokom-bahoaka) hatreto no nametraka antontan-taratasy teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Ambohidahy. Ankoatra an’i Jean Nirina R avy amin’ny Hafari Malagasy izay nanapa-kevitra ny hisintaka dia tsy manana olana firy amin’ny fikarakarana taratasy ny kandida hafa izay efa manodidina ny 15 hatreto, kanefa tsy tonga eny amin’ny HCC. Fa nahoana ? Sa miandry inona ? Ho an’i Gilbert Raharizatovo, izay efa solombavambahoaka, minisitra ary mpanao gazety sy mpamakafaka politika dia misy dikany io tsy fahamaikana io. Mety azo handikana izany, hoy izy ny hoe miandry ny fotoana mahamety tsara ny tetikadiny ireo kandida sokajiana ho tena goavana vao hanatitra dosie na mety efa manana ahiahy ny amin’ny tsy hisian’ny fifidianana amin’ny 7 oktobra izy ireo ka mandinika tsara izay atao aloha. Tsy adala ireo kandida lehibe ireo ka hamela malalaka ny kandida hafa hamory olona sy haneho hevitra etsy sy eroa sy mangalatra « départ » amina zavatra goavana be tahaka ny fifidianana filoha, fa ao raha matoa tsy rototra izy ireo. Anisan’ny tena andrasan’ny olona ny fanambarana ofisialy ataon’ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny maha kandida azy ireo sy ny fotoana mety hanateran’ny roa tonta ny antontan-taratasy eny Ambohidahy. Izy mirahalahy ireo izay azo antoka fa mahafantatra tsara ny tontolo politika sy ny politikan’ny fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hatreto anefa, tsy mbola misy daty mazava ny amin’izay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.