Politique

Gidragidram-pifidianana Hanan-tantara ny daty anio


  • Talata 11 Septambra 2018

Anio 11 septambra no fotoana voafaritra fa hamalian’ny Filan-kevi-panjakana na ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny fitoriana nataon’ny kandida filoham-pirenena Tabera Randriamanantsoa sy ny Ben’ny tanànan’Ankaraobaoto teo aloha Guy Maxime Ralaiseheno.

 

Mitaky ny hanafoanana ny didim-pitondrana laharana 2018-641 nivoaka ny 29 jona 2018 teo miantso ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana filoha ny 7 novambra. Efa in-droa nahemotra ny famoahana io didy io, izay inoana fa hisy ny valiny anio. Tsy hay anefa na hisy tokoa ny didy raikitra sy mazava na hilaza ny tsy hahefa ity rafi-pitsarana tompon’ny teny farany ity satria tsiahivina fa efa nanao karazana fandikana ny ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena fa izy ireo ihany no mahefa an’io raharaha io. Ireo kandida filoha maromaro miara-dàlana amin’ny amiraly Didier Ratsiraka izao, dia azo antoka fa maniry mafy ny hankatoavan’ny Filankevi-panjankana io fitoriana io, ka hahafoana ilay didim-pitondrana. Tetsy andaniny ihany koa anefa, dia nisy ny fivoizana sy karazana tsindry bokotra nataon’ny ekipan’ny filoha tetezamita efa nanao karazana don-tandroka amin’ny hoe: tompon’antoka ireo nitory raha mihemotra eo io fifidianana io. Nandeha ny fampitenenana mpahay lalàna niakatra tamina fahitalavitra naneho hevitra sy toa nandrisika ny tsy hanomezana rariny ny fitoriana. Tsy hay na misy ifandraisany amin’ireny ny resaka fampihorohoroana atao ireo kandida mitaky ny hanemorana ny fifidianana, toa an-Ramatoa Arlette Ramaroson, izay nisy nametraka “cocktail Molotov” teo am-bavahadin’ny foiben-toerany na ny QG ny alahady maraina teo. Ny amiraly Ratsiraka ihany koa dia nilaza ny 5 septambra teo, fa misy kandida efa nampiditra basy maro be eto.  Raha amin’ny nialan’i Hery Rajaonarimampianina tsy ho filoha anefa 60 andro mialohan’ny latsa-bato anefa, dia toa efa antoka iray hisian’ny fifidianana satria na iza na iza angamba filoha, dia tsy hanaiky hiala mora foana izany raha tsy efa nahazo antoka fa handeha tokoa ny fifidianana. Hipetra-potsiny ve ireo tsy manaiky ny hirosoana amin’ny fifidianana raha izay no hiseho?  

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT