Politique

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

 

 

 Efa azo lazaina ho naman’ny vita ny fampihavanana politika. Fa misy olana hafa tokony hojerena koa, ohatra, ny eo amin’ny lafiny fampihavanana ny fianakaviana Malagasy satria mampitaraina ny raiamandreny maro ankehitriny ny tsy fanajan’ny zanany azy ireo. Sahirana manabe ny raiamandreny. Ohatra koa ny resaka fonja satria mariky ny tsy fihavanana koa ny zava-mitranga any. Olona mpangalatra, mpisoloky, mpamono olona sy rehefa mety ho mpanao ratsy no miditra any ary potika avy eo. Ahoana no hamahana izany ? Tsy maintsy hampidirina fonja daholo ve nefa ny fonja eto efa tery ? Ny resaka fahasalamana hoe rehefa tsy mahalala olona, hono, ny fianakavian’ny marary na ilay marary dia tavela maty ao. Misy fampihavanana ara-piarahamonina tokony hatao sy fampihavanana antsika amin’ny zavaboary, hoy izy, mba hahafahan’ireny mamaly ny filantsika. Anisan’ny lehibe koa ny fampihavanana ara-toekarena mba tsy hivangongo amin’ny toerana iray ny fitantanana azy. Fampihavanana amin’ny teny Malagasy satria tsy hahavita manazava hevitra ve ankehitriny raha tsy miteny ratsy ? Very fanahy izany, hoy izy. Aleon’ny olona very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola. Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika ary manoloana manana andraikitra ny filoham-pirenena hametraka governemanta mamaly ny filàn’ny Malagasy. Tokony hofoanantsika ao an-tsaina amin’izay ny resaka hoe “izahay nanohana anao” na ny resaka fanohanana fa tokony hifantoka isika fa ny filoham-pirenena dia raiamandrenin’ny Malagasy rehetra. Raha misy zaza 10, hoy izy, ao an-trano ka ny 1 hiteny hoe izao no tena zanakao dia ahoana ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT