Tsy fantatry ny olona, hoy ny mpikambana eo anivon’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy sady mpahaifiarahamonina, Gerard Ramamimampionona, ny asan’ny CFM. Ampatsiahiviko hatrany, hoy izy, fa ny Malagasy no natao hampihavanina fa tsy ny mpanao politika fotsiny.
Ny mamerina ny soatoavina ao anatin’ny fon’ny olona no tena adidinay. Mila averina ampidirina koa izany ao anatin’ny tontolo politika, hoy hatrany ny tenany. Olon’ny tontolon’ny fanahy sy aina ny Malagasy. Mandalo ny fifidianana fa ny fiainantsika mitohy. Tsy natao hifanangam-pahavalo ny fiainan’ny Malagasy. Manoloana ny zava-misy ankehitriny, hoy izy, dia fifanatonana sy fifampiresahana no ilaina fa tsy fifanozonana. Izany no ilaina mba hampiakatra ny fanaovana politika eto tsy ho iva lenta. Iantsoana ny fahatongavan-tsainan’ny rehetra io, hoy ny tenany, satria mila iainana ny fihavanana. Izany halatra akoho izany voavahan’ny soatoavina taloha. Rehefa niaina ny soatoavina ny razantsika dia nilamina ary ny fidiran’ny lalàna teto ary no tena niteraka kolikoly raha mahita ny ady tany mirongatra ankehitriny isika. Voavahan’ny soatoavina koa anefa izany, hoy hatrany izy, fahiny. Rehefa tsy misy mifanompa sy mifampihantsy na mifandrangitra intsony moa eto dia inona no hikorontana eto, hoy ny fanontaniany. Tsy misy afa-tsy ny fiainana ny soatoavina no hampilamina eto, hoy izy, ary ny hamerina izay anaty fon’ny olona no tanjonay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.