Politique

Gerard Ramamimampionona - CFM « Ny omby miasa tsy maintsy misy mikapoka »


  • Zoma 16 Novambra 2018

Anisan’ireo sampandraharaha iharana tsikera koa ankehitriny ny avy eo anivon’ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM manoloana ny tsy fetezan-java-mitranga eto amin’ny firenena, dia ny fifidianana.

 

 

 

 Tsara ny mifampitsikera, hoy ny filoha lefitr’ity rafitra ity, Gerard Ramamimampionona, saingy aleo tsy mitsikera be fahatany fa mba tsikera manatsara zavatra no atao. Tokony hialana ny fanaratsiana olona sy rafitra iray. Misy ny milaza fa tsy nahavita andraikitra ny CFM. Ampahatsiahivina fa rafi-panjakana izy io. Ny dikan’izany dia tsy tokony hifampitsabaka amin’ny andrim-panjakana hafa fa mifampiera, hoy hatrany ny tenany. Ohatra hoe ny resaka satan’ny fifampitondran-tena izao dia hitan’ny CENI fa izahay no tokony ho nanao azy. Ny filazana fa tsy nahavita na inona na inona ny CFM dia laviko. Anisan’ny nivoadianay ny hitana ny tsiambaratelon’ny rafitra ary be io tsiambaratelo io. Raha hiresaka tombana dia fanontaniana tokony hapetraka mialoha ny nanirahana anay dia ny hampihavana. Tadidio fa be ny fahavalon’ny fampihavanana. Tokony ho tonga saina amin’izany ny Malagasy. Ny mpanjanaka vao tonga teto dia fizarazarana no nentiny. Mbola misy voataizan’ny kolontsaim-panjanahana eto. Be ireo zava-bitan’ny CFM tsy azo faritana amina isan-jato satria fitaizam-panahy. Ohatra hoe tany Tsiroanomandidy sy Analavory izao nisy olana teo amin’ny mponina dia novahan’ny CFM. Io moa, hoy hatrany izy, ny omby miasa tsy maintsy misy mikapoka. Mila ampatsiahivina isika fa tsy politika ihany no fiainan’ny Malagasy fa mila fampihavanana ara-kolontsaina sy fiarahamonina ary toekarena koa.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT