Nisavorovoro sy nifanjevo ireo mpanao politika nifamory teny amin`ny CCI Ivato ny zoma lasa teo. Nambaran`ireo mpanao politika fa samy hafa ny hevitra niainga tany amin`ny asam-baomiera roa natao tamin`ny fivoriana.
Tsy avy amin`ny CFM kosa no niavian`ny korontana teny Ivato raha ny nambaran`ny filoha lefitra, Gerard Noel Ramamimampionina fa olana tany amin`ny komitin`ny fanoratana izany. Tsy fifanarahana teo amin`ny mpizaika roa samihafa nandrafitra ny fehin-kevitra no nitarika ny fifamaliana, hoy hatrany ny fanazavana. Raha hiverenana ny fampihaonana tamin`ny zoma lasa teo, lohahevitra miisa telo no navoitra. Teo ny fanatanterahana ny didy navoakan`ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny fifidianana eken`ny rehetra ary ny fanaraha-maso an`izany. Anisan`ny teboka tsy niraisan`ny besinimaro ny tokony hanovana ny lalàmpanorenana mba hisian`ny fitoniana eto amin`ny firenena. Eo ihany koa ny hametrahana fahefana avo ho an`ny fanorenana ifotony. Na dia nirava maina aza ny fivoriana, hoy ny filoha lefitry ny CFM dia efa voaray kosa ny tahirin-kevitr`ireo asam-baomiera roa ireo ary tsy maintsy hiroso amin`ny fifandravonana hevitra vaovao hivoahana mankany amin`ny fifanarahana politika mba hisian`ny fifidianana eken`ny rehetra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.