Politique

Gédéon Rajohnson Feno olomanga mahavita azy eto Madagasikara


  • Alatsinainy 03 Septambra 2018

Ny fahamaroan’ny kandida handray anjara amin’ny fifidianana dia efa ahafahana milaza sahady fa maro olomanga ny firenena Malagasy, hoy ny fanambaran’ny mpahay sady mpampianatra toekarena Gédéon Rajohnson.

 

 Betsaka ny Malagasy mahavita azy, hoy izy saingy ilaina ny olona mahay mifandray amin’ny rehetra sy maharaka tsara ny amin’ny resaka fanatontoloana, indrindra ny fandrosoan’ny teknolojia manaraka ny toetrandro. Nanambara ihany koa izy fa olana ny tsy fisian’ny fitsipi-dalao mazava ny amin’ny fifidianana, hany ka samy manao izay saim-pantany ny tsirairay ary misy ny manao propagandy mialoha ny fotoana. Ankoatra izay dia nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ny sehatry ny fanabeazana izay antoka ny fampandrosoana an’i Madagasikara i Gédéon Rajohnson. Io sehatra io, hoy izy no anisan’ny mahalasa lavitra sy mampanankarena ny vahiny ary ny fahasimban’ny fampianarana no nampitotongana ny firenena ka tsy tafiditra anatina fifampiraharahana ny Malagasy. Izany ihany koa no mahatonga ny sehatra famokarana ho tsy tafarina eto Madagasikara, hany ka marefo hatrany ny toekarena ary tsy afaka mifaninana amin’ny firenena matanjaka satria vidin’ireo firenena mandroso mora avokoa na ny olona na ny vokatra Malagasy. Na dia eo ary izany rehetra izany dia mbola misy hoy ity mpahay toekarena ity ny fanantenana ary miainga amin’ny fiovan’ny toe-tsain’ny Malagasy. Maro ny olomanga sy ny manampahaizana eto amin’ny firenena ary ny vahiny mampiasa Malagasy eto dia saika manankarena avokoa ka nahoana ny Malagasy no tsy ho tafavoaka ? Mbola Malagasy ny Malagasy satria mbola mipetraka tsara ny fahendrena sy ny soatoavina ary izany no mahazava-dehibe ny fandraisam-panapahan-kevitra hanova ny toe-tsaina amin’izao fotoanan’ny fifidianana izao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT