Politique

Gédéon Rajaonson “Mpitondra hanompo ny vahoaka no ilaina”


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Fadiranovana ny vahoaka ary efa tena latsaka ambany dia ambany ny faripiainany.

 

 

 

 Manoloana izany dia nanambara ny mpahay sady mpampianatra toekarena, Gédéon Rajaonson fa amin’izao fifidianana ho avy izao no fotoana hanavotana an’i Madagasikara, ka izay ho lany amin’ireo olomangan’ny firenena nilatsaka ireo no tokony  hanompo sy hiasa ho an’ny vahoaka. Tokony ho laharam-pahamehana aloha ny fandresena lahatra amin’ny vahoaka ny maha zava-dehibe ny fifidianana ahafahany maneho ny safidiny. Rehefa izay dia olona mahazaka vahoaka no ho lany eo ary hitaiza azy ka tsy hieritreritra afa tsy ny fampandrosoana. Manoloana ny fisian’ny tsy fitovian-kevitra amin’izao fotoana dia nilaza Andriamatoa Gédéon Rajaonson fa hendry ny Malagasy ary ny hisavorovoroan-kilantoana ka tsy maintsy hilamina izany. Ankoatra izay, nanizingizina  hatrany ity mpahay toekarena ity fa lehibe ny sehatra fanabeazana eto amin’ny firenena ka tena tokony himasoan’izay olomanga ho lany eo. Tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa anefa ny sehatra fambolena satria tena mbola betsaka ny vokatra azo hampiroboroboana eto Madagasikara. Tsy azo ihodivirana ihany koa ny fanamboarana sy ny fananganana fotodrafitrasa izay efa tsizarizary eto amin’ny firenena. Ireny no hitarafana ny fandrosoana ary miainga amin’ny fanamboarana sy ny fanaovana ny lalana no ahafahan’ny tantsaha mamoaka ny vokatra. Nilaza ihany koa ity mpampianatra toekarena ity fa tena tokony hatao tsara ny fitantanana ny lafiny ara-toekarena ary aleo ny mahay sy havanana amin’izay no hitondra ny traikefany. Mila olona mahay sy mahavita azy ny vahoaka ary hivoaka amin’ireo olomanga ireo izany. Mpanao politika tena hanao sy hitondra fampandrosoana no ilaina ary ity fifidianana ity no tokony fiaingana vaovao ho an’i Madagasikara.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT