Na iza na iza firenena naniry hanjanaka teto Madagasikara, hoy ny mpandinika, Toky Rakotobe, dia ny lafiny kolontsaina foana no nezahan’izy ireo nodomina teto.
Niezaka nandresy ny kolontsaina Malagasy tamin’ny alalan’ny fampidirana kolontsaina taratra anaty fivavahana Kristianina ny iraka sasantsasany tamin’ireo misionera anglisy, ohatra, fa tsy naharesy tosika. Ny portigey sy ny hafa koa nety mba nitondra ny azy. Ny frantsay moa no tena nanao fara ezaka satria tany amin’ny taona 1660 tany ho any no efa nahenoana izany anarana hoe Flacourt izany. Taty akaikin’ny taona 1896 aza rehefa voazanak’izy ireo amin’izay I Madagasikara dia mbola naniraka mpahay olona na “Anthropologue” koa izy ireo hamantatra ny tena fototry ny kolontsaina teto hahafahany manosika ireny tamin’ny kolontsaina frantsay. Nahafantatra izany atao hoe Pirolier izany angamba ny mpahay tantara. Rehefa mbola tsy afa-po indray ny jeneraly De Gaulle taty amin’ny taona 1910 taty dia mbola nanaparitaka mpahay vondron’olona na “Ethnologue” indray manerana ny nosy ary ireo no nametraka ireny anarana mandoto vondrona toy ny hoe “Merina malama loha” sy “Betsileo jokotsorika” na koa hoe “Tandroy fangalarana” sy ny hafa ireny. Vokatr’izay donan-kolontsaina marobe na hoe “Choc culturel” isan-karazany izay dia lasa mora ho azy tamin’ny mpanjanantany koa ny nanjanaka ny saintsika ka nony nolazain’izy ireo hoe ratsy ny vita gasy dia tsy naha rototra antsika ny nanakalo izany tamin’ny vokatra vahiny. Raha nahatsiaro isika dia tena nampifandrombahana mihitsy izany hoe “importation” izany teo anelanelan’ny taona 1973 ka hatraty amin’ny taona 1996 taty. Saika manafika eto Madagasikara avokoa ankehitriny ny kolontsain’ireo firenena matanjaka ary io hataitairana sy fitiavam-baon’ny Malagasy io dia mbola isan’ny marika fa nisy kolontsaina goavana resy tosika teto satria mba nandinika ihany ny Ntaolo matoa nahatafavoaka ohapitenenana sy ohabolana maro izay nahasoa ny fiarahamonin’izy ireo tamin’izany fa tsy tia vao toy ny amin’izao fotoana izao.
J. Mirija
Legende: Ny Mpahaiolona, Toky Rakotobe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.