Maniry ny hihaona amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izahay FEDeP (Fédération des Ex-Détenus Politiques de Madagascar) tarihin’ny kolonely Coutiti sy ny tenako, hoy Rakotomalala Henri na i Riribe. Mahatsiaro voakasika voalohany amin’ny resaka fampihavanam-pirenena koa izahay FEDeP ka manao antso avo amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mba ho
anisan’ireo voalohany hojerena amin’ny fanendrena ho mpikambana FFM vaovao izay noresahiny teny amin’ny CCI Ivato ary nohamafisiny tamin’ny fivorian’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina teny amin’ny Carlton farany teo ny fanatanterahana an’izany. Mino izahay fa tsy hatao anjorom-bala intsony amin’ity indray maka ity ny FEDeP. Tena saro-piaro amin’ny fiarovana ny tombontsoa sy ny zo fenon’ny gadra politika ny FEDeP. Nanao fanambarana niaraka tamin’izany fanehoan-kevitra izany ity Federasiona izay hivondronan’ireo gadra politika sy ireo niharam-boina nanomboka ny taona 2002 hatramin’ny taona 2014 ka naneho ny fisaorana sy fankasitrahana ny filoham-pirenena ankehitriny sy ny FFKM ary ireo filoham-pirenena teo aloha tamin’ny dingana ho amin’ny fanombohan’ny fampihavanam-pirenena. Toherin-dry zareo kosa ny fitondrana ny anaran’ny gadra politika hitadiavan-tseza. Melohin-dry zareo koa ny endrika fanakorontanana sy kajikajy politika ataon’ireo olom-bitsy tia tena. Aoka mba ho tena fitiavan-tanindrazana no hibaiko ny feo fieritreretan’ny mpanao politika Malagasy, hoy ny FEDeP ka haka lesona amin’ny tantaram-pirenena ary hanao ho ambonin’ny zava-drehetra ny tombontsoam-bahoaka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.