Politique

Gadra politika Hanolotra olona ao anatin’ny CFM


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2015

Tsy ekena ny fanaratsiana sy ny tsaho isan-karazany alefan’ireo fahavalom-bahoaka tsy mankasitraka ny fampihavanam-pirenena hirosoana amin’ny tena fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny

 

 «Fédération des Ex-Détenus Politiques de Madagascar». Manameloka ny fihetsik’ireo mpanao politika tsy manana olona miezaka manakorontana ny fiainam-bahoaka ao anatin’izao fahantrana lalim-paka napetraky ny fitondrana nifandimby teto amin’ny firenena ihany koa ireo gadra politika eto Madagasikara. Mitaky ny fananganana haingana ilay «Comité pour le Fampihavanana Malagasy» izay hanohy ny asa efa natomboky ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy kosa anefa ny fivondronan’ireo gadra politika eto Madagasikara. Efa natolotry ny FEDeP any amin’ny «Comité d’Experts» misahana ny fampijoroana io komitin’ny Fampihavanana Malagasy io rahateo moa ny volavolan-kevitra avy amin’izy ireo. Hanolotra olona ho mpikambana ao anatin’ny CFM amin’ny maha voakasika voalohany azy amin’ny fampihavanam-pirenena ny federasionin’ireo sokajiana ho gadra politika eto Madagasikara, araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny sabotsy lasa teo teny Antaninarenina.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT