Mafampana indray ny tontolo politika eto Madagasikara. Marobe ireo resaka mifamahofaho mampiady hevitra ireo olom-pirenena saingy toa volan-kakafotra ihany izany. Manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ihany koa ry zareo avy ao amin’ny Vahoaka Miray na VAMI. Vahinin’ny gazety Tia Tanindrazana anio ny sekretera jeneralin’ity fikambanana politika ity. Resadresaka.
Tia Tanindrazana (TT) : Ahoana ny fahitanao ny fizotry ny raharaham-pirenena ankehitriny ?
Gaby Vakiniadiana (GV) : Miseho ho manampahaizana miaraka amin’ny diplaoma ambony toy ny «agrégation» avokoa ireo mpitondra ary tsy mihambahamba milaza fa an-dalana amin’ny fanjakana tsara tantana isika saingy tsy mbola hita taratra aloha izany hatreto. Ny mifanohitra amin’izay no hita ka toa migalabona amin’ireo harem-pirenena mitobaka eto Madagasikara fotsiny ny mpitondra. Ny vahoaka amin’izay vokisana fampanantenana poak’aty. Fitaka sy kobaka am-bava no betsaka eto hanadalana ireo vahoaka maro an’isa efa mahantra. Mibaribary fa tena mpitondra manao mpitari-bato vilam-bava ary fanjakana tandrametraka miaina ao anaty Lalàmpanorenana kitoatoa no misy eto ka tsy hampandroso ny firenena mihitsy. Fampiesonana, fisolokiana ary fampandriana adrisa no betsaka. Eto dia tsy aritra ny tsy hanontany ny mikasika ireo volabe azo tamin’ny famarotana ireo andramena. Aiza ihany koa ny vola vidin’ny fiaramanidina «Air Force One 2» izay ny filoham-pirenena ankehitriny mihitsy no nisahana ny minisiteran’ny fitantanam-bola tamin’ny fotoana nahalafo azy io. Eo ihany koa ny momba ireo bolongam-bolamena nivoaka an-tsokosoko teto amin’ny firenena. Efa naverina tokoa ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ve izy ireo ?
TT : Resaka miverimberina tato ho ato ny fifanarahan’ny 14 oktobra, ny îles Eparses ary ny fizarazarana ny renivohitra, ny hevitrao mikasika ireo ?
GV : Mibaboka amin’ny tsy fahombiazana ny fitondrana amin’ny alalan’ny «convention du 14 octobre». Menatra ny fitondrana dia ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara indray no ampiasaina hanosika ny mpitondra avy aoriana. Tsy omena ny hafa ny firenena ary tsy ekenay ny fiaraha-mitantana ireo «Iles Eparses». Efa an’ny Malagasy izy ireo ka anjaran’ny fanjakana raha mihevi-tena fa mpitondra izy no mandefa miaramila toy ny natao tamin-dRemenabila ka alaina tsy misy hatak’andro ireo Nosy manodidina an’i Madagasikara ireo. Lavinay ankitsirano koa ny fikasana hizarazara ny tanànan’Antananarivo. Tsy ireo solombavambahoakan’i Madagasikara ihany no tompon’Iarivo fa ny mponina ao aminy ka tokony hakana hevitra aminy izany amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka.
TT : Mpanohitra ny fitondrana ny filoha Ravalomanana manomboka izao, ahoana no fandikanao ara-politika izany ?
GV : Ny ankolafy Ravalomanana dia mila manaja izay toromarika avy amin’ny lehibeny tsy misy hatak’andro. Raha tsy izay kosa no mitranga dia tokony hiala avy hatrany anatin’ny movansy ny mitsipaka izay lazain’ny filoha Ravalomanana. Tokony tsy hisalasala ihany koa ny filoha hanala izay tsy manaraka ny baikony. Mahitsy aho milaza fa ireo olona tsy manatanteraka ny didy nefa mialokaloka ambany anarana dia mibaribary fa mpamadika ka tsy tokony hofitahana intsony ny filoha. Tsy famohazana ny lasa tsy akory fa iza moa no niaro ny lapan’Iavoloha nialoha ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Iza ireo voasambotra teny Mahamasina raha nanao latsakemboka 50 ariary isan’olona nanaovana «tracts» fampilazana fa fakana fahefana an-keriny no nisy teto ka nitondra izany teny Ambohijatovo. Tsy ny vahoaka va izay niaritra ny ramatahora sy ny tifitry ny miaramila. Famadihana tsy nisy ohatran’ny fanaovana sonia iny tondrozotra teny Ivato iny ka nahatonga ny tolon’ny vahoaka maty momoka tsy nahatanteraka ny famerenana ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana. Mety kokoa raha manova mpiara-miasa amin’ireo olona marobe ao anatin’ny vahoaka 22 tapitrisa ny filoha Ravalomanana. Aorian’ny faharavan’ny governemanta dia tsy tokony hanolotra olona intsony ny tenany dia ho hita eo ny tohiny.
TT : Miverimberina matetika ny resaka fampihavanam-pirenena, ny hevitry ny VAMI momba azy io ?
GV : Ny fampihavanana tena izy no irianay hotanterahana eto Madagasikara eo ambany fitarihan’ny FFKM ka tsy ampidirina ao anatiny ireo hita fa niandany tamin’ireo mpanongam-panjakana nanomboka tamin’ny taona 2009 hatramin’izao 2014 izao. Misy rahateo ilay lisitra ahitana anaran’olona 109 nomelohin’ny Firenena mikambana. Noho izany, tsy ny fanovana governemanta no vahaolana amin’io fanjakana io fa ny fialan’ny rehetra hatramin’ny filoham-pirenena. Soso-kevitra arosonay VAMI ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena.Volavolaina ny Lalàmpanorenana vaovao izay handraisan’ny rehetra anjara. Ireo fiangonana sy ray aman-dreny ara-drazana no ampisahanina ny fanangonan-kevitra.Ny tetezamita handraisan’ny rehetra anjara kosa no mamondrona azy ireo sy mamadika azy ho Lalàna Fototra.
TT : Maro no mitsikera ny fanaovana politika eto Madagasikara, mitombina ve izany tsikera izany aminao ?
GV : Ny mpanao politika dia natao hanompo fa tsy ho tompoina. Hita ny zava-niseho tany Nosy Be farany teo ohatra fa lasa ny mifanohitra amin’izay no mitranga. Rehefa tsy mahavita ny sosialim-bahoaka ilay fanjakana dia tsara aminy ny miala fa tsy miandry hoesorina akory. Tsy fampisongadinan-tena ny fanaovana politika ka tsy tokony asiana olana ny fifampiresahana amin’ny hafa ho fanoherana izao fanjakana misy eto izao tahaka ny Vahoaka Miray izay nisafidy ny ho mpanohitra hatramin’ny nijoroan’ity fitondrana ity. Antso rahateo no hatao ho an’ny Malagasy rehetra mahatsiaro tena fa tsy lasa intsony izao zavatra iainana izao ka mila havondrona ny hery hanoherana tsy misy fepetra ireo mpitondra hahalalan’izy ireo fa tsy kentrina sy bado akory isika fa saropiaro amin’ny tanindrazana sy ny ho avin’ny taranaka fara aman-dimby.
TT : Farany, tsy mbola tafody an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana noho ny antony tsy fantatra mazava, ny fahitanao izay ?
GV : Fitiavana ny mpiray tanindrazana no atao hoe fitiavan-tanindrazana. Amiko dia tsy tokony hisy teratany malagasy sakanana tsy hody an-tanindrazana izany. Zo fototry ny olona iray ny fodiana sy fananana tanindrazana. Mitaky izahay ny fampodiana ny filoha teo aloha Ravalomanana sy ireo sesitany politika rehetra an-tanindrazana. Ny fanjakana efa tsy mandeha. Ny vahoaka mijaly. Ireo firenena mpiara-miombon’antoka faly mitanisa mari-bola fotsiny fa tsy hita akory izay famatsiam-bola mivoaka eo. Ny fanatanterahana ny tondrozotra dia lalana iray hivoahan’ny famatsiam-bola amin’ireo mpiara-miombon’antoka ka ilaina ny fampiharana azy io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.