Politique

Frantsay ao ambadik’i Andry Rajoelina Misy tompondakan’ny afera maloto


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Tsaroana tsara ny raharaha fanonganam-panjakana ny taona 2009, izay nalaza fa ny Frantsay no tao ambadika. Io mbola hita taratra amin’ny kandida ho filoha Andry Rajoelina io indray ny vondron’olona avy amin’ity firenen-dehibe ity. Mila

mpitondra manana hazon-damosina fa tsy entina amin’ny sangany sy hatao fitaovana hiaro ny tombontsoan’ny vahiny fotsiny ny fanatanterahana izany. Tsy ny Frantsay rehetra no ratsy ary tsy mitondra mankaiza ny fanenjehana na fanaratsiana azy raha tsy afaka ambany vahohony. Tsy olona tena azo antenaina fa toa olon’ny afera. Araka ny nambaran’ny Gazety Le Parisien, efa voapaingotry ny HATVP (Haute Autorité pour la Transparence de la Vie Publique) tany Frantsa noho ny raharaha kolikoly sy afera maloto i David Douillet, iray amin’ireo manampy azy akaiky. I Jean-François Mancel dia nalaza tamin’ny fankasitrahana ny fifanambadian’ny olona mitovy fananahana izay sokajiana ho zava-pady ho an’ny Malagasy na ambara aza fa efa andron’ny fahalalahana izao. Efa ratsiratsy pasipaoro ireo olona sasany ao ambadik’i Andry Rajoelina, saingy izao angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe « izay mitovitovy ihany no tafaraka ». Izany ve no hitondra vahaolana eto Madagasikara ? Ny ambara fa mpandrindra ny vinany IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) rahateo aza moa dia mbola ilay vazaha Gérard Perceau, tsy mahalala firy akory ny fiainan’ny Malagasy. Sao dia Irika Enti-Mandroba ny firenena ary no tena fanalavana ilay IEM  ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT