Politique

Frankofonia Misantatra ny fihaonambe ara-toekarena


  • Alatsinainy 01 Desambra 2014

Nifarana omaly ny fihaonana an-tampony ho an’ireo filoham-panjakana mpikambana ao amin’ny Frankofonia

Misokatra anio ao Dakar kosa ny fihaonambe ara-toekarena voalohany ho an’ny fikambanan’ireo firenena miteny ampahany na manontolo ny fiteny frantsay izay maharitra roa andro. Tanjon’ny fivoriana ny fijerena ny zava-misy ara-ekonomika eo anivon’ny fikambanana, ny famaritana ny toerana sy ny hoavin’ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fifandraisan’ireo mpikambana. Eritreretina hitondra tombontsoa ho an’ireo firenena mpikambana ity fihaonana ity ary anisan’izany i Madagasikara. Fotoana mantsy io hitrandrahana ireo tsena vaovao sy hisokafana amin’ny sehatra maro hafa. Lohahevitra maro rahateo no hiadian-kevitra toy ny sakana eo amin’ny lafiny lalàna momba ny tontolon’ny fifanakalozana eo amin’ny firenena mpikambana amin’ny ankapobeny, ny fampiasam-bola aty Afrika frankofonina na koa ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany. Horesahana manokana mandritra ny fihaonambe voalohany ara-toekarenan’ny Frankofonia ny sehatry ny fandraharahana amin’ny Apec na ny fiaraha-miasa ara-toekarena aziatika sy afrikanina. Miisa 274 tapitrisa na- 4%n’ny mponina manerantany ny olona miteny frantsay ankehitriny. Mandrafitra ny 16%-n’ny vokatra anatiny, ny 7%-n’ny hari-karena ankapobeny ary ny 14%-n’ireo angovo sy harena ankibon’ny tany manerantany ny fikambanan’ireo firenena miteny frantsay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT