Nanatanteraka fitsidihana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy omaly ny solontenan’ny fivondronana iraisam-pirenena eo anivon’ny Frankofonia notarihan’Atoa Clément Duhaime
Anisan’ny teboka nodinihina tamin’izany ny famerenana ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’i Madagasikara sy ny firenena mpikambana ao amin’ity vondrona ity. Eo ihany koa ny firesahana ny handraisan’i Madagasikara ny andiany faha-16 amin’ny fivoriana faratampony an’ny Frankofonia ny taona 2016. Mahakasika ny kolontsaina sy ny teny eo anivon’ity vondrona ity hatrany dia notsiahivin’izy ireo fa nisy ny fametrahana ny ivontoeram-pamakiam-boky sy kolontsaina miisa 22 manerana ny faritra 13 teto Madagasikara, teo ihany koa ny fampitaovana ny trano malagasy ho fampiroboroboana ny vaky boky sy ny kolontsaina na (CEMDLAC). Teo ihany koa ny fametrahana ny toeram-panovozam-pahalalana nomerika niarahana tamin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny taona 2011. Nandray ny delegasiona omaly ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.