Nampahafantarina nandritra ny fivoriana faha-31-n’ireo minisitry ny raharaham-bahiny avy amin’ireo firenena mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay na Frankofonia, tany Erevan Armenia ny 10 sy 11 oktobra 2015 ny lohahevitra sy ny sary famantarana ary ny fotoana hanatanterahana ny fihaonambe faha-16.
Nambaran’ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice fa ny 15 ka hatramin’ny 20 novambra 2016 no hanatanterahana io fihaonambe io eto Antananarivo. Ravinala no sary famantarana. «Croissance partagée et développement responsable : les conditions de la stabilité du monde et de l’espace francophone» no noraisina ho lohahevitry ny fihaonambe eto Madagasikara.
Tamin’ny 2010, fitondran’i Marc Ravalomanana, i Madagasikara no efa voatondro hampiantrano ny fihaonamben’ny Frankofonia saingy noho ny fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina dia nafindra tany Soisa ny fihaonana.
Tsiahivina fa efa nampiantrano ny lalaon’ny Frankofonia i Madagasikara tamin’ny 1997.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.