Politique

François Goldblatt-Masoivoho Frantsay Roahana hiala eto Madagasikara ?


  • Talata 17 Martsa 2015

Hevitry ny masoivoho Frantsay manokana ny filazana fa mety hanohintohina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ireo mpamatsy vola ny fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-pirenena teo aloha Orlando Robimanana, hoy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany. Azo

 


 eritreretina ve fa hitsivalana amin’ny fanoloana na fanesorana mpiasam-panjakana ambony iray any amin’izay firenena hiasany ny masoivoho malagasy, hoy izy. Mila fitandremana ny fanambarana tahaka ireny araka ny filazan’ny filoha satria firenena manana ny fiandrianany ary mahaleotena i Madagasikara. Miresaka amin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miasa izahay fa tsy misy izany fiaraha-miasa voatohintohina izany, hoy hatrany ny filoham-pirenena.

Horoahana ?

Raha io tenin’ny filoham-pirenena io izany no raisina dia tena nandainga sy namorona atsanga tsy aman’orana ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika Atoa François Goldblatt, ka tokony handraisana fepetra. Ho sahy hanao izany anefa ve izao fitondram-panjakana izao ? Tsaroana fa tamin’ny 2008 dia efa nisy ny masoivoho Frantsay noroahan’ny fitondrana Ravalomanana, dia Atoa Gildas le Lidec, noho ity diplaomaty ity nampiahiahy. I François Goldblatt, masoivohon’i Frantsa anefa dia manizingizina fa mampanahy iny fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-pirenena iny ary mety hisy akony amin’ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo mpamatsy vola. Misolotena ireo masoivoho vahiny eto Madagasikara aho raha miteny izany, hoy ity diplaomaty Frantsay ity. Ka inona ary no hitranga manaraka ? Ny azo antoka aloha dia tsy hoe taitaitra tao am-pandriana na nanonofy ingahy Goldblatt ka nanao an’iny fanambarana iny, fa matoa iny nataony dia efa nahazoany alalana avy amin’ny lehibeny dia ny avy ao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay izay azo adika avy hatrany hoe ny fitondram-panjakana Frantsay. Inona ary ny fepetra mety horaisin’ny fitondram-panjakana malagasy momba ity diplaomaty nambara fa nijabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy ity ? Ampitandremana ve izy sa tonga dia roahana hiala eto Madagasikara mihitsy ? Azo raisina ihany koa avy amin’izao raharaha izao fa manomboka marefo ny fifandraisan’ny fitondrana Rajaonarimampianina amin’i Lafrantsa, ary araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy raha tsy mitandrina ingahy filoha dia mety hopotehin’ny Frantsay mihitsy ka hirodana ho azy eo.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT