Politique

Fotodrafitrasan’ny HAT sy ny HVM Potika am-pitoerana tsy misy mampiasa


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Reharehan’ny mpitondra ny fananganana fotodrafitrasa, saingy toy ny vola nariam-potsiny ihany ireny indraindray raha jerena amin’ny zava-misy sasany eto amintsika. Potika tanteraka amin’izao fotoana ny hopitaly manara-penitra ao Manakara, izay tamin’ny andron’ny tetezamita. Tsy nisy mpitsabo, tsy nisy fitaovana,…

 

hany ka na ny tafo sy zavatra maro samihafa aza efa nisy nitaona sy nandroba tsikelikely, kanefa dia nireharehana fatratra fa hoe nahavita. Tsy mety miditra ao amin’ilay tsena vaovao namboarin’ny orinasa Ambatovy ao Moramanga notokanan-dRajaonarimampianina ny 23 novambara 2017 ny mpivarotra hatramin’izao, fa dia mipetra-potsiny. Asa na amin’ny propagandy vao hisy hotambazana hiditra ao hanaovana sehoseho ivelany. Torak’izany ihany koa ny tsena vaovao any Ambositra. Ny olona ve no efa tsy manaiky lamina intsony sa ny mpitondra no tsy mahay mitantana sy tsy eken’ny vahoaka teny ? Samy marina avokoa ireo satria toa efa manao izay saim-patany Ramalagasy ka tsy manaja lamina intsony, ary efa tsy ekeny sy tsy inoany teny intsony ny mpitondra. Azo adika ho vokatry ny sehoseho ivelany fotsiny ataon’ny mpitantana ihany koa, ka tsy ny tena ny famahana ny olam-bahoaka no laharam-pahamehana fa ny fametrahana zavatra iray ho tandindony, hany ka toa vola very maina ihany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT