Politique

Fotoam-bery fotsiny


  • Alatsinainy 19 Janoary 2015

Ny fanendrena ireo minisitra indray izao no vaovao andrasana hivoaka amin’ity herinandro ity. Efa nisinisy ihany ireo fihaonana sy fifandresen-dahatra tamin’iny herinandro lasa teo iny. Misy ny anarana visivitsy ambara fa mety ho minisitra, tahaka ny an’Atoa isany Rufin Rakotomaharo tale jeneralin’ny ORTM

izay mety hisahana ny minisiteran’ny serasera ary koa i Briand Andrianirina filohan’ny federasininin’ny taranja Kick Boxing mety ho minisitry ny fanatanjahantena, re ihany koa fa mety hisahana ny minisiteran’ny tontolo iainana Rtoa saraha Georget Rabeharisoa ka mety ho izay no antony somary nampisitaka azy tamin’ny vondron’Ambodivona izay tsy manaiky ny fanendrena ny praiminisitra. Ity farany moa dia manampahaizana tokoa raha ny diplaoma sy ny fianarana norantoviny no jerena. Ho hita eo ny fahaizany mitantana governemanta sy manatanteraka ny fandaharanasa fampandrosoana ny firenena. Hita ihany koa fa karazan’ny mandany fotoana ihany amin’ilay fanoherana ataony ny « vondron’Ambodivona » satria zavatra efa miroso no misy ankehitriny ka azo antoka fa tsy hisy intsony ny fihemorana, raha tsy hoe hisy hitarika olona hidina an-dalambe sy hanongam-panjakana indray angamba eto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT