Politique

Fomba fitantanan’ny HVM Mampisafoaka tanteraka ny Malagasy


  • Alarobia 09 Mey 2018

Na dia nisy ary ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy hatramizay dia tsy azo oharina velively amin’ny fahantrana nentin’ity fitondrana ity izany.

 

Nihatra tanteraka hatrany anaty vilanin’ny maro ny fitantanana tsy mahomby nentin’izy ireo. Raha tsy hilaza fotsiny ireo afera maloto maro nitranga nanomboka nandraisana ny fahefana ka hatramin’izao izay nitondra tarazo amin’ny toekarena. Vao  tsy ela no nisy ireny sokatra 10 000 tratra ireny ary maro ihany koa no mety mbola mitahiry any ho any fa mbola manitrika aloha noho izao toe-draharaha mafana izao. Ny fanondranana ireo hazo sy vato sarobidy ary ny volamena moa tsy lazaina intsony ary tahaka ny mahazatra dia tsy hita mazava izay tohiny ho an’ireo izay nolazaina hoe tratra. Manginy fotsiny ny kolikoly mandavan-taona izay ahenoana hatrany ny anaran’ny vadin’ny filoha any amin’ny sehatra maro isan-karazany. Hany ka tsy misy mandeha amin’izay tokony ho izy ny fitantanana satria olona tsy mahay sady tsy nandalo fanadinana no misehatra any anaty birao rehetra any. Manoloana izany rehetra izany dia potika ny toekarena ary miraviravy tanana na ny olon-tsotra na ny mpandraharaha. Mainka aza moa nisondrotra hatrany koa ny vidim-bary, ny hetra, ny solika ary ny JIRAMA nandritra ity fitondrana ity. Tamin’ny taona 2014 dia 1500 Ariary ny kilaon’ny vary, amin’izao tsy latsaky ny 2000 Ariary intsony ary nisy fotoana aza efa tafakatra 2500 Ar. Nysolika aza moa miziriziry tsy milatsaka amin’ny vidiny 4000 Ar intsony raha mbola 3840 Ar tamin’ny herintaona lasa ; 2,5 litatra monja no mba azon’ny vola 10 000 Ariary. Ankoatr’izay ny fiakaran’ny JIRAMA isam-bolana efa mampikaikaika ny rehetra. Tsy mahagaga raha mitroatra sy tezitra  amin’izay ny vahoaka satria maro loatra ireo zavatra tsy rariny nataon’ny mpitondra.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT